|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Rahajarizafy Antoine de Padoue |
| Singan-teny | 2Rahajarizafy |
| Sokajin-teny | 3 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Antoine de Padoue Rahajarizafy (1911-1974).
5teraka tao Antananarivo tamin'ny 7 avril 1911; rainy, J.-B. 6Rahajarizafy, anisan'ny mpanoratra malaza tamin'ny androny. 7Tao amin-dry Frères des Ecoles Chrétiennes tao Andohalo (1918-1920) sy tao amin'ny Collège Saint-Michel (1921-1923) no nianatra talohan'ny nidirany tao amin'ny Petit Séminaire tao Ambohipo; nanohy ny fianarany sy ny fiomanany ho Pretra hatrany; nohamasinina ho Pretra tamin'ny 1941. 8Anisan'ny ny nanetsika azy handalina ny teny sy ny fahendrena malagasy, dia ny fahitany fa tsy mba nampianarina araka ny tokony ho izy ny teny, ny literatiora, ny tantara... 9malagasy. 10Teo am-piomanana ho pretra, nahatsapa koa fa tsy hiorim-paka ny fivavahana kristianina raha tsy aorina amin'ny tena maha-malagasy ny Malagasy ny fampidirana sy ny fampianarana ny fivavahana. 11Anisan'ny nanaitra azy indrindra tamin'ny boky novakiny: Gandhi, Tagore, Confucius, Descartes, Bergson... 12Nisahana raharaha maro: nampianatra, nikarakara ny Tanora, nikarakara ny famoianarana katolika teto Antananarivo, lehiben'ny Petit Séminaire, Curé ao Ambatonilita.. [2.298] |
| Fanazavàna teny frantsay |
13jésuite, pedagogue, enseignant en malgache, il publie de nombreux ouvrages sur l'histoire merina [...] sur la morale traditionelle [...] et sur la langue elle-même.
[1.59] |
| Voambolana | 14 Haisoratra: mpanoratra |
| Asa navoany |
15 Essai sur la Grammaire Malgache 16 Filozofia Malagasy 17 Hanitra Nentin-drazana 18 Ny kabary 19 Ny Ohabolana Malagasy 20 Ny Ombalahibemaso |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/10/07 |
|